1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
3 Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
4 Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
6 Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany
7 ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?