11 Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.
12 Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana
13 Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza
14 Aza mamitsaka eo amin'ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana.
15 Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.