1 Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.
2 Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
3 Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
4 Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.
5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
6 Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
7 Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.