19 Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
20 Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
21 Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
22 Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara.
23 Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.