29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
30 Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
32 Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.
33 Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.