24 Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
25 Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28 Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30 Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.