21 Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
22 Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
23 Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.