1 Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
6 Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;