5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
6 Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9 Aza miteny amin' ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.
10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'ny sahan'ny kamboty;
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.