19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.
20 Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona.
21 Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy.
22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany.
23 Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman'osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao;
24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satro-boninahitra?
25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra,