1 Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako,
2 Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana.
3 Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo;
4 Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.
5 Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita.
6 Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany.