17 Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa.
18 Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao.
19 Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao.
20 Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga?
21 Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.
22 Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy
23 Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany.