23 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan'aina ny anatra famaizana,
24 Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga.
25 Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.
26 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.
27 Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29 Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.