2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
6 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
8 Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,