23 Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin'ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
24 fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin'ny momba ny tenantsika. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
26 Ary raha mijaly ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin'ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
27 Ary ianareo no tenan'i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
28 Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
29 Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?