9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.