31 fa mahazo maminany tsirairay ianareo rehetra, mba hianaran'izy rehetra sy hamporisihana azy rehetra;
32 ary ny fanahin'ny mpaminany dia manaiky hozakain'izy mpaminany.
33 Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana, fa tompon'ny fiadanana. Araka ny fanaon'ny fiangonan'ny olona masina rehetra,
34 dia aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara araka ny lazain'ny lalàna koa.
35 Ary raha misy tiany hianarana, dia aoka izy hanontany ny lahy raha mby any an-trano; fa mahamenatra raha miteny ao am-piangonana ny vehivavy.
36 Avy aminareo va no nihavian'ny tenin'Andriamanitra, sa ao aminareo ihany no nahatongavany?
37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.