13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;
18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.
19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.