4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa,"
5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16).
7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy.
9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).