13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato,
14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
17 Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.