14 Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany.
15 Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.
16 Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena.
17 Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18 Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19 Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20 Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -