9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.
11 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
14 Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason'ny bibi-dia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibi-dia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
15 Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibi-dia.