1 Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
4 Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.