1 Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
2 dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
3 Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an'efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
4 Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;