5 ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY.
6 Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
8 Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.
10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.