2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy - Dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany - Ary namaly ary noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
3 Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.
4 Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan'aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
6 Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.