7 Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
8 Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9 Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
10 ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11 Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12 Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
13 Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.