15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,