19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;