3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro.
6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.