1 Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
2 Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io.