12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona, Izay any an-danitra.
14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,
15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
16 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy.