18 Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
19 Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
20 Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
24 Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.