13 Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
14 Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
15 Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?
19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,