41 Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
42 Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
43 Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
44 Dia nankao ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny aretiny.
45 Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.