12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.
13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14 Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.
15 Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
16 (fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17 dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.
18 Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.