32 (nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin'i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely),
33 satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr'i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak'i Amona, fa tsy nandeha tamin'ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an'i Davida rainy.
34 Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin'ny andro rehetra hiainany noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
35 fa hesoriko eo an-tànan'ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
36 Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an'i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
37 Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin'izay rehetra irin'ny fanahinao ary ho mpanjaka amin'ny Isiraely.
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.