19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.
20 Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.
21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.
22 Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe
23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:
24 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.
25 Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.