13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
17 Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.