22 Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
23 Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24 Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka.
25 Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.
26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.