1 Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
2 Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
3 Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
4 Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.