11 Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
14 Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
15 Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.