4 Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.
5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.
6 Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.
7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.
8 Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?
9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.
10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao?