21 Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22 Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23 Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
24 Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
25 Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
26 Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
27 Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.