1 Samoela
toko 7:12-17
Malagasy Bible
12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.
13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
16Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.
17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.