11 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
16 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.