1 Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.
3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
4 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.