10 Ary ny manda manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
11 Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
12 Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
13 Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.
14 Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
15 Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
16 ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.