6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy;
7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.
8 Ary izao no anaran'ny lehilahy maherin'i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben'ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
9 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo, zanak'i Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery teo amin'i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin'ny Isiraely;
10 dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan'ny tànany ka efa niraikitra tamin'ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin'izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan'ny olona azy.
11 Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak'i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin'ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
12 dia nijanona teo afovoan'io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.