1 Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
2 Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3 Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.
4 Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin'i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely; dia nandrava an'Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin'ny tanànan'ny Naftaly izy.
5 Ary nony ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6 Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa, ka nentiny nanamboatra an'i Geba sy Mizpa.
7 Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.